Alasora : Omby iray nisy nikasa hamono, tratran’ny fokonolona
Nisehoana trangana tsy fahandriam-pahalemana tao Ikalasoa, kaominina Alasora, omaly alatsinainy. Omby iray no nisy namoaka tao am-bala ary nokasain’ireo olon-dratsy ho vonoina. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona manoloana izany ka tratra soa aman-tsara ny omby, raha ny voalaza.
« Tsy lavitry ny tanàna dia tratran’ny fokonolona ny omby, rehefa natao ny fanarahan-dia ny omby. Ny tena mampalahelo dia efa tapaka ny tongotr’ilay omby tamin’ny fotoana nahitana azy io. Hanaraina ny tomponandraikitra fa tena manjaka ny tsy fandriam-pahalemana » hoy i Njaka, mponina ao Alasora.
« Taratry ny fahasahiranana sy ny fahantran’ny vahoaka ny trangam-piaraha-monina tahaka izao. Ary mizaka ny tsy rariny hatramin’ny zava-manan’aina. Ny tranga tahaka izao izay mendrika lalàna sy sazy enjana ho an’ny mpanao asa ratsy fa mijaly avokoa na ny mpiompy na ny biby » hoy i Randria, mpandinika fiaraha-monina.
Anisan’ny tranga mampalahelo tokoa ny trangam-piaraha-monina tahaka izao. Izay mila jeren’ny tomponandraikitra isan’ambaratongany akaiky. Ary ilaina ny fametrahana lalàn’ny fiaraha-monina hanafaizana ny mpanao ratsy sy tsy hiverenan’ny loza tahaka izao.
Manitra R.
