France : Fikambanana iray nividy ala tao Savoie hanavotana azy
Fikambanana iray antsoina hoe Cerf Vert no nividy ala mirefy 22 hekitara tao Noyer ao Savoie tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Vondrona miaro ny tontolo iainana izy ireo ary nividy ity tany ity mba hanavotana ny zava-boaharay ao aminy.Tsy vao sambany ity fividinan’izy ireo ala ity, tao Ardèche no voalohany tamin’izany. Niroina tamin’ny taona 2020 ity fikambanana ity, manana mpiara-miasa 120 manohana azy ireo amin’ny asa ataony izy. Efa mikarakara velaran-tany 1 100 sy 1 700 m² ao amin’ny tendrom-bohitra au Bauges izy ireo, izay misy karazan-kazo.
