Maurice : Nidina hatramin’ny 11,8% ny vidim-piainana ny volana janoary teo
Raha mbola 12,2% ny vidim-piainana tao Maurice ny volana desambra 2022 teo dia nidina 0,4% izany volana janoary teo. Tafalatsaka 11,8% noho izany ny vidim-piainana ao an-toerana antontan’isa farany navoakan’ny Consumer Price Index. Na izany aza raha hoariana ny tamin’ny taon-dasa io raha io dia mbola ambony. Raha tsiahivina mantsy dia 7,4% ny antontan’isa tamin’ny vanim-potoana toy izao ny taona lasa teo.
Nahitam-piakarana kosa teo amin’ny lafiny fanjifana. Niakatra 1,4 isa izany izay nampiakatra ny isa ho 128,5 raha 127,1 izany ny volana desambra 2022. Ny fisondrotan’ny vidin’ny fitaovana ilay amin’ny fiainana an-davanandro no isany nahatonga io antontan’isa io kosa raha ny fanazavan’ny Statistics Mauritius.
Raha ny fidangan’ny vidim-piainana nandritra ny 12 volana hatramin’ny volana janoary 2022 teo kosa dia 11,1 %, raha 10,8 % hatramin’ny volana desambra 2022.
