ActualitésTsidika

Fanaovana didim-poitra teto amin’ny faritra Analamanga

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny Minisityeran’ny mponina manoloana izao iray volan’ny ankizy izao. Raha tany amin’ny afritra Analanjirofo ny alatsinainy teo nanatanterahana ny didi-poitra ho an’ny ankizy tany amin’izany faritra izany.

Ankizy 350 tao Manjakaray kosa no nisitraka didimpoitra teto amin’ny faritra Analamanga ka afaka 20 andro kosa ny andiany faharoa. Zava-dehibe ho anay ray aman-dreny izao satria tsy maintsy atao ilay didi-poitra kanefa hiara-mahita ny fahasahiranana, koa misaotra ny fitondrana izahay hoy ny ray aman-drenin’ny zaza iray natao didi-poitra. Nandritra izany dia nizara arendrina sy biscuit ary arovava orona ihany koa ny teto anivon’ny Minisitera.

Manana tombony ara-pahasalamana ny zaza vita didimpoitra, hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny mponina. Ankizy maro manerana ny Nosy no hisitraka izany mandritry ny volana jona sy jolay. Manala ny fahasahiranana tokoa satria sady araraotina ihany ny andro mangatsiaka tokony hanaovana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire