SocialTsidika

Fiara fitateram-bahoaka zotra 112 nandratra mpandeha

Matetika mihitsy ny fitarainana avy amin’ny mpandeha noho ny tsy fanajana ataon’ireny mpamily fiara fitateram-bahoaka sy ny mpanampy azy ireny. Taxi-be zotra 112 no nanala olona tetsy amin’ny fiantsonana Ambohibao. Tovovavy iray no naratra raha iny izy hidina ny fiara fitaterana iny. Mbola tsy tafidina akory mantsy ity tovovavy ity no nandeha ilay taxi-be ka izay no antony nampienjera azy.

Na dia hitan’ilay mpanampy mpamily aza ny nanjo ilay tovovavy dia tsy nijanona izy ireo fa mbola nanohy ny diany. Efa fanaon’ireo mihitsy ny toy izao, maika hameno “versement” fotsiny ka tsy misy fanajana ny mpandeha intsony hoy ny mpivarotra fahana teo amin’ny manodidina io fiantsonana io.

Nandray ny andraikiny ny Polisy eny an-toerana ka nitady ilay taxi-be ary tratra teny Ankazomanga. Nosamborina avy hatrany ilay mpamily sy ilay mpanampy ny mpamily raha nampidirina “fourrière” kosa ilay taxi-be. Tsara mihitsy ny nisamborana ny mpamily sy ny mpanampy azy tahaka izao mba ho anatra ho an’ny mpamily sy mpanampyny mpamily namany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire