ActualitésTsidika

Fizarana sakafo mafana ho an’ny mponina any Atsimo

Hatramin’izay hatramin’izao, mbola anatin’ny ady amin’ny Kere hatrany ny any Atsimon’ny Nosy. Tetik’asa maro no efa natao ary ankehitriny aza dia mitohy ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fanomezana sakafo ireo marefo.

Nifanindran-dalana tanteraka amin’ilay fanatanterahina izay tapaka tao anatin’ny fikaonandoha natao tany Atsimo andro vitsivitsy izay. Amin’izao dia efa zaza maherin’ny 50 000 no nisitraka sakafo mafana izay tsinjaraina isan’andro any amin’ireo toerana tena hita fa tratran’ny tsy fanjariantsakafo. Ny sakafo ho hanina aza tsy misy ka tsy voafehy intsony izany sakafo mafana na tsia izany, koa mankasitraka amin’izao fanomezana sakafo mafana izao mba ho ara-pahasalamana izany hoy ny mponina any an-toerana.

Ankoatra izay dia mitohy hatrany ny Caravane du Sud izay famatsiana sakafo isankarazany. Ezaka lehibe no ho atao vao mahavaha ny olana any Atsimo ary tokony vahaolana maharitra mihitsy no hatolotra mba tsy hiverenana amin’ny olana intsony.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire