Ambohimanga Rova : Miantso ny fitondram-panjakana hampanaja ny lalam-panorenana momba ny fanakorontanana izay niseho teny an-toerana
Manoloana ny tranga izay niseho taorian’ny hetsika izay nataon’ny antokom-pinoana sy mpitondra fivavahana teny amin’ireo doany tao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova, ny 29 Desambra lasa teo, dia miantso ireo mpitondra fanjakana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’izao fotoana izao, amin’ny fampanajana ny lalam-panorenana izay mifototra amin’ny fanajana sy ny kolontsaina maha Malagasy.
« Raha ny azo hilazana ny zava-nitranga tety Ambohimanga Rova ny 29 desambra dia ny fanapotehana ny harena sy ny kolontsaina mahamalagasy, fanakorontanana fiaraha-monina ary fanimbazimbana ny finoana nentim-paharazana. Nanomboka tamin’ny filazana ankolaka fa ny sampy dia finoanompoana sy fanamaivanana sy fanaratsiana ireo fomban-drazana dia ny fangataham-pitahiana sy ny fanatitra vatomamy na tantely » hoy ireo mpiandry vohitra ao Ambohimanga rova.
« Amin’ny maha firenena laika an’i Madagasikara, samy mijoro amin’ny finoany eto ary tsy tokony hisy fifampijabahana amin’ny finoan’ny hafa. Manana ny fahafahany ny tsirairay hiaina sy hisafidy ny finoany ary efa voalaza anaty lalam-panorenena fa firenena mivelona ao anatin’ny firindrana sy fanajana ny hafa. Manome hasina ny fiainam-piaraha-monina » hoy hatrany ireo mpiandry vohitra ao an-toerana.
Miantso ny fitondram-panjakana mahefa, araka izany, ireo tompon’andraikitra avy ao Ambohimanga rova, mba hampanaja ny lalam-panorenena mba hitohizan’ny fiaraha-monina mirindra sy mifanome hasina eto Madagasikara.
Manitra Ramanantsoa
