ActualitésTatitra

France : Voarohirohy amin’ny raharaha herisetra ara-nofo ny arsevekan’i Paris teo aloha Michel Aupetit

Voasaringotra anaty fanadihadiana savaranonando momba ny herisetra ara-nofo tamin’ny olona marefo (vulnérable) ny arsevekan’i Paris teo aloha Michel Aupetit. Raha ny fantatra nanokatra izany fanadihadiana izany ny biraon’ny fampanoavan’i Paris ny farany volana novambra teo reehefa naharay fitorohana avy tao amin’ny diosezin’i Paris.

Ny BRDP (Brigade de Répression de la Délinquance aux Personnes) no mitarika ny fanadihadiana. Nanazava izy ireo fa nisy nanameloka niaraka tamin’olona marefo io tompon’andraikitra 71 taona io. Entina hamantarana ny karazan’ny fiarahan’izy ireo kosa io fanadihadiana io ary indrindra hamantarana raha nanaiky izany ny ankilany hoy ny tompon’andraikitry ny raharaha.

Laisser un commentaire