Alasora : Efa napetraka ny fanamby « Alasora iombonana, maha-te-honina »
Feno roa taona katrotra androany 21 janoary 2022 ny nandraisan’ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy, ny fahefana hiadidy ny tanàna. Manantena hatrany ny fanohanan’ny mponina ny tenany.
« Mbola maro ireo asa miandry, koa manantena ny fanohanantsika rehetra. Efa napetraka ny fanamby : Alasora iombonana, maha te-honina » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Efa betsaka ireo zava-bitany ho an’ny tanàna. Nanamboatra ny CSB sy ny sekoly izy. Nanampy tamin’ny sehatra rehetra mihitsy toy ny fampianarana, ny zokiolona, ny fahadiovana ary indrindra ny fanatanjahan-tena sy ny fandriam-pahalemana » hoy i Bako, mponina ao Alasora.
« Samy tompon’andraikitra amin’ny fandrosoan’ny tanàna ny rehetra. Mila mifanampy sy mifanohana ny mpitondra sy ny vahoaka » hoy i Landry, manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana lovainjafy. Mila mpitondra mendrika tokoa ny vahoaka hitarika azy. Hirariana mba handroso hatrany ny tanànan’Alasora, ka handrosa tahaka izany koa i Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
