ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Hanomboka ny fanentanana isam-baravarana ho an’ny Raoka fako ao amin’ny fokontany Ampahimanga

Taorian’ny fampahantarana sy ny fandinihana nataon’ny tomponandraikitra misahana ny Raoka fako sy ny kaominina Ambohimanambola, mahakasika ny fampiharana ny servisy Raoka fako ao amin’ny fokontany Ampahimanga, dia hanomboka ny fanentanana izany izy ireo. Hanomboka rahampitso 14 desambra izany fanentanana isam-baravarana izany, araka ny voalaza.

“Hanomboka rahampitso zoma ny fanentanana isam-baravarana sy ny «stand mobile » ho fizarana ireo vaovao tsara ho fantatra mikasika ny tolotra Raoka fako ao amin’ny fokontany Ampahimanga, izay fokontany hisitraka ny tolotra Raoka fako manaraka. Hisy tanora maro hanatanteraka izany mandritry ny telo andro 14-15-16 Desambra 2023” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Ny 16 atoandro indray dia fifaninanana fokontany madio ho an’ny fokontany sokajy A na ireo fokontany voasokajy ho fokontany be olona sy miteraka fako betsaka. Ny  fokontany Ampahimanga, ny fokontany Gara ary ny fokontany Tanjonandriana no voakasik’izany. Vola mitentina 600.000 ariary ny loka ho azon’ny fokontany mpandresy, vola izay hanatsarana ny zava-misy sy ny kalitaon’ny servisy ao amin’ny fokontany” hoy hatrany ny fanazavana.

Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fametrahana ny rafitra sy fandaminana ny fako ao amin’ny kaominina. Ny hetsika tahaka izao no anisan’ny fomba iray hanentanana ny mponina amin’izany. Ao anatin’izany, sady miala voly ny rehetra no mahazo fahalalana ary madio ihany koa.

Laisser un commentaire