Avaradrano: Nandravona ny olana teo amin’ny kaominina roa ny Distrika
Tontosa ny 6 jolay 2022 ny fivoriana izay notarihin’ny lehiben’ny Distrika niarahana tamin’ireo ben’ny Tanàna rehetra teto Avaradrano. Nodinihina tamin’izany ny olana nitranga teto amin’ny kaominina Anosy Avaratra sy ny kaominina Sabotsy Namehana.
« Nafana dia nafana ny fifampiresahana tao anatin’izany. Nisy ny fandaminana teo amin’ny roa tonta mba tsy hanimba ny fihavanana » hoy ny lehiben’ny Distrika. « Tapaka fa ho averina amin’ny laoniny ny Panneau de Délimitation an’ny kaominina Anosy Avaratra. Hisy ny fifampiresahana makasika ny faritra manasaraka ny kaominina roa tonta » hoy hatrany izy.
Miandry ny fampiharana ny fanapahan-kevitra ny mponina ao Anosy Avaratra. Hinoana fa tsy ho atao hiteraka olana na fifandrafiana eo ami’nny kaominina Anosy Avaratra sy Sabotsy Namehana ity olana ity.
Nicole Rafalimananjara
