ActualitésTsidika

Kolontsaina : Miverina amin’ny heriny indray ny CLAC any amin’ny faritra

Miverina amin’ny asany ary mahazo vahana indray ny CLAC any amin’ny faritra amin’izao fotoana izao. « Centre de Lecture et d’Animation Culturelle » no teny entina hanalavana ny CLAC. Maro be araka izany ny hetsika sy zavatra azo sitrahana amin’izy ireny. Ny famakiana boky no tena ahafantaran’ny maro azy ka izany indirndra no nahatonga ny ao Analanjirofo manentana ny amin’ny famonjena ny CLAC.

« Toerana iray mitahiry zava-tsoa marobe ny CLAC. Hanentanana amin’ny famakiana boky ao amin’izy ity dia natao ny fanentanana ireo ankizy sy tanora ho amin’ny fitiavana ny boky hatrany. Natsangana araka izany ny klioba “hamaky boky”. Misy asa vaventy tsy maintsy hataon’ity klioba ity araka izany isaky ny alarobia di any fifamotoana amin’ireo ankizy ireo hanentanana azy ireo hatrany amin’ny fitiavana boky », hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analanjirofo.

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika « ndao hamaky boky » izay an’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay ezaka fampandehanana ny CLAC indray izany. Ankoatra ny famakiana boky dia misy ireo taranja ara-kolontsaina hafa afaka sitrahana amin’izy ireny. « Maro ny ankizy mpamaky boky fa tsy vitsy ihany koa ireo misafidy ny atrikasa mahakasika ny tononkalo, ny fianarana mozika, sy ny fianarana arts martiaux. Ireo rehetra ireo dia natao daholo hampivoarana ny saina ankoatra ny fianarana rehetra any am-pianarana », hoy ny avy ao amin’ny CLAC ao amin’ny Distrikan’ny Betafo.

Tokony hanana ny CLAC ny faritra tsirairay ka afaka misitraka ny tombontsoa avy amin’izany avokoa ny ankizy sy ny tanora rehetra. Mora ny fidirana ho mpikambana amin’izy ireny saingy ny taratasy ilaina no samy manana ny azy manokana. Raha tsy misy ny CLAC any aminao dia azonao atao ny manentana ny tompon’andraikitra hampiditra izany fa ilaina hatrany ny fananana azy.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire