Start Up Weekend : Tsara asiana loha-hevitra mahakasika ny fandraharahana sy ny fampandrosoana lovain-jafy
Hetsika iray mahasarika ny tanora, indrindra ireo liana amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny Start-up Week-end. Miovaova ny loha-hevitra resahana mandritra izany ary ny hanainga sy hitantsoroka ireo tanora, handray anjara amin’ny fampandrosoana no tanjona amin’ny ankapobeny. Anisan’ny loha-hevitra mila resahana ihany koa ny fandraharahana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, raha ny voalaza.
« Loha-hevitra tsara resahina ary hanaingana ny mpandray anjara anatin’ny hetsika Start-up Week-end ny mahakasika ny fampandrosoana lovain-jafy. Tsy mbola nisy ny loha-hevitra manokana mahakasika azy io na dia mahakasika ny fampandrosoana hatrany aza no tanjona » hoy i Rado Harintsoa Rakotosamimanana, mpandrahara sy mpitondra tetikasa, coach nandritra ny hetsika Start-up Week-end.
« Ny zavatra entin’ny ekipa ao anatin’ny coaching, samy manana ny fahaizany manokana ny coach tsirairay kanefa mifameno ireo ahafahana mitan-tsoroka ny ekipa. Izay ihany koa no ahafahana manome sy manampy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mpandray anjara amin’ny Start-up Week-end » hoy hatrany ny fanazavana.
Isaky ny roa volona moa ny fanatontosana ny hetsika Start-up Week-end. Efa miomankomana amin’ny lohahevitra manaraka indray ireo mpikarakara izany.
Manitra R.
