ActualitésTsidika

Tsy fandriam-pahalemana : Conteneur iray nisy fanafody tsy hita popoka

Nanambara ny « Office Pharmaceutique Malgache » na ny Opham fa very ny conteneur iray nisy fanafody tao amin’ny seranan-tsambo Toamasina.Araka ny fanambarana ny Opham ny Talata 10Aogositra 2021, baoritra fanafody miisa 1 360 isa no tao anatin’izany conteneur izany, ahitana Amoxiciline, Ibuprofen, Ampicilline ary Peniciline.Mahavarina ny maro ny fanjavonan’ny conteneur iray tao amin’ny seranan-tsambo ka nampiteraka resa-be teo amin’ny fiaraha-monina sy ny tambanjotra-tserasera : « tena loza mahavariana izany fahaverezan’ny conteneur iray be izao izany ! » hoy ny fanehoan-kevitry i Meva. « Izahay izao efa very gony iray tao amin’io seranantsambon’i Toamasina io, fa ity kosa conteneur feno fanafody » hoy i Désiré, zendana tanteraka ny amin’izany raharaha izany. »Misy afera maloto ao ambadik’izao halatra izao » hoy ny fanehoan-kevitra ny sasany. Izany seranan-tsambo izany ve moa tsy tokony hanana tompon’andraikitra mpanara-maso ny entana mivoaka sy miditra ? Na hanana fitaovana fanaraha-maso toy ny « caméra » sy fitaovana fanaraha-maso (matériel de localisation) ? Noho izany miantso ny rehetra ny biraon’ny Opham amin’izay olona mety manana vaovao hanampy amin’ny fitadiavana ireo fanafody voalaza fa nisy nangalatra tao amin’ny seranana ireo.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire