ActualitésTsidika

Branchement mora : Efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry hisitraka

Efa manomboka ny fisoratana anarana amin’ny fisitrahana ny « branchment mora » avy amin’ny Fanjakana. Tokantrano miisa 200 000 no vinavinaina hisitraka izany ao anatin’ny roa volana. Ny tanjona amin’ity tetik’asa ity dia ny mba ahafahan’ny rehetra mahazo hazavana amin’ny vidiny mirary sady takatry ny rehetra.

« Efa vita ny andrana tamin’ireo « compteurs prépayés ». Heverina ho tonga tsy ho ela Madagasikara ireo andiany voalohany amin’izany. Tokantrano marefo hatramin’ny 2 hetsy no vinavinaina hisitraka ny tetik’asa ao anatin’ny roa volana », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo.

Namoraina ny fisitrahana ny tetik’asa ka tsy nitakiana « permis de construire »intsony izany. Rehefa manana adiresy mazava fotsiny ny tsirairay dia afaka misitraka ka haterina eny anivon’ny Fokontany ny antontan-taratasy. Tsotra dia vita ka ny orinasa Jirama no mamadika ho « devis » ny fanagatahana.

« Tsy misy vola be aloha araka ny maha-mora azy fa ny teti-bidy mitentina 30 000 ariary no aloa eny anivon’ny Jirama ahafahan’izy ireo manao ny devis ka manatitra izany eny anivon’ny Fokontany. Midina ifotony rehefa avy eo ny Jirama mametraka ny fitaovana ho an’ny « branchement mora ». Mora tsy misy pitsopitsony betsaka ny fisitrahana ny tetik’asa ka tokony ho fanararaotra », hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina fa ny tokantrano marefo ara-pivelomana sy ara-tsosialy voamarin’ny Fokontany ihany no afaka misitraka ity tetik’asa ity. Io tokantrano io izay tsy tokony hioatra ny 30 metatra ny andrin-jiron’ny Jirama. Tombontsoa ho an’ny rehetra ny hazavana saingy raha mazava tsy misy sakafo harapaka toa zary tsy misy dikany ihany…

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire