Dépêches

Ady amin’ny zava-mahadomelina : Olona miisa 6 indray no notazomin’ny mpitandro filaminanana

Dépêche 03 mai, 14h, Manao ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Olona miisa 6 indray, avy eny Anosizato no notazomin’ny mpitandro filaminana noho ny fitahirizana, fivarotana ary fihinanana rôrô. Olona tsotra no namphafantatra izany tamin’ireo mpitandro filaminana ka tsy niandry ela izy ireo fa avy hatrany dia nidina ifotony. Ny Ray aman-dReny no tompon’andraikitra amin’izany zava-misy hiainan’ireo tanora ireo ka tokony samy handray ny andraikitra mifanaraka amin’izany ny tsirairay. Rehefa aorian’izany vao tokony hiditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana isan-tokony sy ny mpiara-monina. 

ReplyForward

Laisser un commentaire