ActualitésTsidika

Orinasa mpamokatra eto Afrika : Nahazo laharana faha 28 i Madagasikara amin’ny firenena miisa 52

Nahadingana laharana iray i Madagasikara amin’ny filaharana mifototra amin’ny « Indice de l’industrialisation en Afrique ». Raha laharana faha 29 izy tamin’ny taona 2020 lasa dia nanjary faha 28 kosa tamin’iny taona 2021 iny, araka ny fanambarana farany izay nataon’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana.

« Azo lazaina nisy fahatsarany kely ny vokatra tamin’ny taona 2021 iny raha mijery ny filaharana fotsiny iany. Ny salan’isa anefa dia nihena tao anati’nizany rehetra izany. Nanomboka tamin’ny 0.5189 tamin’ny 2020 dia 0.5040 tamin’ny 2021 izany salan’isa izany », hoy ny avy ao amin’ny BAD na ny Banky Afrikanina ho amin’ny fampandrosoana.

« Laharana faha 40 kosa i Madagasikara raha mahakasika ny « déterminants indirects » izay manombana ny toeram-pandraharahana izay mandinika ny haben’ny tsena, ny fanamorana ny asa sy ny fanamaivanana ny kolikoly amin’ny asa. Ao anatin’izany ihany koa ny foto-drafitr’asa izay tokony ho efa nomerika sy informatika. Ny fitoniana ara-toekarena ihany koa dia tondro tombanana, miaraka amin’ny totalin’ny trosa tsy voaloa ary koa ny fisondrotry ny vidim-piainana sy ny fahefa-mividin’ny mpanjifa », hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny Indice de l’industrialisation en Afrique.

Mbola maro ireo ezaka izay tokony atao, ahafahana mahazo ny isa ambony indrindra dia ny isa 1 izany. Ity fanombanana ity mantsy dia miainga amin’ny isa 0 izy tena ratsy indrindra ka hatramin’ny isa 1. Anisan’ny afaka hanatrarana io isa 1 io ihany koa anefa ny Plan Emergence 2030 izay samy tokony handray izay tandrify azy avy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire