ActualitésTsidika

Fitaterana : Hapetraka amin’ireo kaominina ny fivarotana ny tapakila amin’ny zotra an-dalamby

Vinavinaina hiverina hiasa ny faran’ity volana mey ity ny zotra an-dalamby mampitohy an’ny Moramanga amin’ny Toamasina. Araka izany dia nisy ny fanadaminana vaovao natao hampilamina indray izany fiveranan’ity zotra ity miasa. Hapetraka amin’ireo Kaominina handalovany ny fivarotana ny tapak’ila ho an’ny fiverenan’ny fitondrana olona. Fiaraha-miasa eo anivon’ny orinasa Madarail sy ireo Kaominina hanadalovana rehetra moa izany natao izany.

« Anjara asan’ny kaominina rehetra izay handalovana ny fivarotana ny tapak’ila sy ny fitantanana ny toeram-piantsonana. Horaisin’ny orinasa antanana kosa ny mahakasika ny fivezivezena sy ny mpiasa rehetra anatin’ny lamasinina. Ny tanjona tamin’ny famerenana ity zotra ity moa dia ny hahafahana manampy ireo toerana izay tena saro-dalana ka tsy tongan’ny fiara tsotra. Izany indirndra no ialina ny fiarah-miasan’ny tsirairay », hoy ny avy ao amin’ny Madarail.

Amin’izao fiverenan’ny zotra izao dia nisy ihany koa ny fanitsiana ireo saran-dalana tsy maintsy natao ahafahana mitantana hatrany ny toerana sy ny fananana iombonana. « Natao ho mora ho zakan’ny fahefa-miviodin’ny rehetra ny saran-dalana satria maro ny mankafy sy te hahalala izany. Natao ihany koa hanamorana ny fivoahan’ny entana sy ny fisokafan’ny toe-karena amin’ireo kaominina handalovana. Ho lasa 15 000 Ar ho an’ny première classe hatrany Toamasina raha 10 000 Ar kosa hatreo Brickaville. Ho 7 000 Ar kosa ny deuxième classe raha 110ariary isaky ny entana”, hoy hatrany ny fanazavana avy amin’ny Madarail.

Tsara ny manamarika fa fiantsonana miisa 23 no ho lalovan’ireo lamasinina ary hahazaka olona hatramin’ny 280 ireo fiara isaky ny mitatitra. Maherin’ny olona miisa 100 000 no hahazo tombony amin’ny fiverenan’ity zotra ity.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire