ActualitésTsidika

Alasora: Hisy ny fahatapahan-dalana

Hisy ny fahatapahan-dalana ao amin’ny Kaominina Alasora anio 12 Aogositra 2022 manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 12 ora. Hotanterahana amin’io andro io manko ny fitokanana ny brigadin’ny Zandarimariam-pirenena vaovao ao Alasora.

“Ho tapaka ny lalana eo Alatsinainy hatrany amin’ny kaominina. Eo Ankadinitavimena hatreo amin’ny Kaominina ary ihany koa eo amin’ny Nos Amis hatreo amin’ny kaominina. Misaotra sahady amin’ny fanarahana ny fandaminana napetraka” hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. “Tsara raha manaraka hatrany ny lamina napetraka isika. Tafiditra ao anatin’ny asa fampandrosoana ho an’ny vahoaka hatrany manko izany. Isaorana hatrany ny Ben’ny tanàna mikatsaka hatrany izay hampandrosoana ny tanàna” hoy i Sylvio, mponina ao Alasora.

Hiaraha-mientana tokoa ny fampandrosoana. Efa misy kosa ny olom-boafidy napetraka handray ny fahefana amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Ny fanohanantsika azy ireny dia efa isan’ny fandraisana anjara mivantana amin’ny fampandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire