Afrique du Sud : Robben Island, nosy manan-tantara
Nosy iray ao Afrique du Sud i Robben Island. Tsy lavitry ny Cap no misy azy, any amin’ny 6,9 km andrefan’ny morontsirak’i Bloubergstrand. Tafiditra ao amin’ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenen’ny UNESCO io nosy io nanomboka ny taona 1999.
Nosy nampiasaina natao fonja i Robben Island, nampitokana-monina ireo olona tratran’ny aretina « lèpre » ihany koa izy ary natao hopitalin’ny aretin-tsaina sy ivo-toerana miaramila. Tamin’ny taonjato faha 20 dia io toerana io no nihazonana ireo olona mainty hoditry nanohitra ny « régime d’apartheid ». Filoha telo nitondra tao Afrique du Sud no efa notanana tao amin’ny fonja tao an-toerana tamin’izany : Nelson Mandela, Kgalema Motlanthe ary Jacob Zuma.
