ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Mikatsaka ny hanampy ny vehivavy hatrany ny kaominina

Niavaka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tao amin’ny kaominina Talata Volonondry ny herinandro lasa teo. Hetsika maro no nentina nanamarihana izany tao an-toerana ary anisan’ny nitarika izany ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina.

« Tontosa, ary tanteraka soa aman-tsara, ny fankalazana ny andron’ny 8 martsa teto an-toerana. Ny kaominina ihany koa dia mikatsaka hatrany ny hanampiana ny vehivavy mba ho fampivoarana sy handraisany ny andraikiny ho fiarovana ny tontolo iainana » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Zava-dehibe ho an’ny vehivavy, indrindra ireo fikambanana sy vondrona izay mikatsaka sy mitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana, ny hetsika fankalazana tahaka izao. Ny vehivavy izay manana anjara toerana lehibe amin’izany fampandrosoana izay ka rariny raha omena fanohanana sy fiaraha-mientana tahaka izao » hoy i Olga, mpitarika fikambanana.

Anisan’ny niara-niasa tamin’ny kaominina tamin’ny fanatanterahana ity hetsika fankalazana ity ny avy amin’ny Dasp, ny Avitech ary mpiara-miombon’antoka aminy ary ireo olon-tsotra tao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire