ActualitésTatitra

La Réunion : Maro ny tolotr’asa momba ny fanamboarana trano saingy ny kandida no vitsy

Raha ny tatitry ny Pôle emploi ao La Réunion dia misy tolotr’asa momba ny fanamboarana trano manodidina 1 000 isa ao amin’ny nosy saingy ny kandida no vitsy. Manalaza sarotra sy mafy io asa io ao an-toerana kanefa ahazoana tombontsoa maro samihafa raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.

Manoloana izany dia hikarakara fanentanana hanamora ny fandraisana mpiasa sy hamporisihana ny tanora hitodika amin’io asa io ny FRBTP (Fédération Réunionnaise du Bâtiment et des Travaux Publics). Sarotra ny mahita olona vonona hisetra eo amin’ny tontolon’ny fanamboarana trano ao amin’ny nosy hoy ny fanamafisan’ny sekretera jeneraly ny FRBTP, Philippe Lebon. Maro nefa hoy izy ireo mpandraharaha misehatra eo amin’izany ary tsy ampy mpiasa.

Laisser un commentaire