ActualitésTsidika

Fetin’ny Paka : Mahay mankafy fiainana amin’ny kely nananany ny Malagasy

Na dia eo aza ny fidangan’ny vidim-piainana dia mbola afaka nanao fety ihany ny Malagasy. Feno hipoka olona avokoa ireo toeram-pitsangatsanganana sy ireo toerana nisy fampisehoana raha ny teto Antananarivo. Izay kely eo an-tanana no entina hamalifaliana ny fianakaviana hoy ireo Ray aman-dReny. Samy nanana ny paik’adiny avokoa ny tsirairay saingy hita fa samy nakafy avokoa.

« Tena izay kely teo am-pelatanana no nentina hanomezana fahafaham-po ny ankizy satria na dia eo aza ny fahasarotan’ny fiainana dia mbola azo atao ihany ny mba manome lanja ny hafalian’ny ankizy. Tsy nanomana zavatra betsaka satria mbola ho lava ny volana. Mitondra ny ankizy mba milalao no tena zava-dehibe tamin’iny andro iny », hoy ireo Ray aman-dReny nitondra ny zanany teo amin’ny Zaridainan’Ambohijatovo.

Hipoka ary tena mbola maro mpankafy i Tsimbazaza rehefa fety toy ireny. Ny vidim-pidirana 500 ariary teo Anosy sy Ambohijatovo tsy nanakana ny hafalian’ireo mpitsangatsangana. Mahafinaritra ny olona ihany koa ny maka rivo-drano teny amin’ny Masay, Mandroseza, Ambohimanambola, Ambatofotsy… Anisan’ny olana hatrany anefa ny fodiana rehefa fotoana tahaka izao ka tokony hikaroha-bahaolana maharitra izany.

« Nahafinaritra hatrany ny fotoana rehetra, indrindra moa ny fiarahana amin’ny fianakaviana saingy tsy maintsy nody aloha noho ny tahotra sao tsy hisy fiara fitaterana intsony. Andro iray mba nahafahan’ny adin-tsaina misinda kely ireny alohan’ny hiverenana amin’ny rotorotom-piainana indray », hoy  iVeroniaina, renim-pianakaviana.

Ny hamafin’ny fiainana sy ny fitadiavana tokony tsy hanakana ny fakana aina kely hahafahana mampitombo hery indray. Ilaina ny manao izany matetika ho an’ireo izay manana fahefana amin’izany mba hanamaivanana ny onjam-piainana. Mila hiainana am-pifaliana ny fiainana, ampanarahana ny onjan’izay zava-misy eo.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire