ActualitésTatitra

Etats-Unis : Misy fialamboly vaovao ao New York

Mitady zava-baovao hatrany ny olona ao Etats-Unis. Nisokatra tamin’ny herinandro ny « attraction » vaovao ao New York antsoina hoe « AIR ». Amin’ny havoana 300 metatra miala ny ny tany no misy azy ao amin’ilay tilikambo vaovao One Vanderbilt, ao Manhattan.Fitaratra avokoa ny rindrina sy ny gorodon’ny toerana, antony ary tanjony fampifandraisana ny olona amin’ny tontolo manodidina azy ary mba hananany fahatsapana toy ny mitsingevana. i Kenzo Digital no namolavola ny toerana ary nilaza izy fa entina hanovana ny fahitana ny toerana sy hampidirana ireo mpitsidika ao amin’ny tontolon’ny « halo de silhouettes » sy « gratte-ciel » ny toerana.

https://www.youtube.com/watch?v=UiQMWxtWntg

Laisser un commentaire