France : Vitsy mpahafantatra ny orinasa PSA
Vitsy mpahalala ny PSA, raha ny fanalavana azy hoe « Peugeot Société Anonyme ». Anisan’ireo orinasa matanjaka indrindra nefa izy, mpanamboatra fiara français izay mamondrona ny marika Peugeot, Citroën, DS Automobiles ary ny Opel sy Vauxhall.Ny taona 1966 no niforona tao Sochaux ny PSA, ny orinasan’ny Peugeot no navadika PSA ara-dalàna tamin’izany. Ny taona 1976 izy vao nividy ny Citroën ary nanaraka azy ny Chysler ny taona 1978. Mivelatra amina firenena maro ny PSA, nifanaraka tamin’ny vondona FCA na Fiat Chrysler Automobiles (marika italo-américain) izy ny 18 desambra 2019 mba hikambana orinasa iray. Tontonsa ny 16 janoary teo io fifanarahana io ka nivondrona ho “Stellantis” ny FCA sy ny PSA.
