ActualitésTsidika

Ilafy : Tsy azo atao ny milanonana aorian’ny amin’ny 9 ora alina

Isan’ny sakana tsy hisian’ny filaminana ny tabataba amin’ny alina indrindra rehefa misy lanonana, hany ka betsaka ny fitarainana tonga ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy Avaradrano. Noraisina noho izany fepetra, ary navoaka ny filazana fa ny lanonana rehetra any amin’ny Fokontany dia mifarana amin’ny sivy ora alina avokoa, mba ho fimailoana manoloana ny tsy fandriam-pahalemana. »Mila mailo hatrany isika amin’izao fotoana izao na andro na alina ka tokony hanjaka ny fahanginana amin’ny alina sao misy fanafihana any ho any ka tsy hifankaheno noho ny tabataba » hoy ny Ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Namaky peta-drindrina aho androany fa tsy azo atao ny maneno mihoatran’ny amin’ny sivy ora alina kanefa ety amianyv ety Ilafy dia misy korana mandra-maraina kanefa ery Antsofinondry misy poa-basy, natao ho an’iza ireny didy ireny ?  » hoy i Vero, mponina ao Ilafy. « Efa nahazo alalana izy matoa sahy mandefa hira amin’ny alina ka ny nanome alalana azy indray amin’izay fotoana izay no tompon’andraikitra raha misy ny vokatr’iny tabataba tamin’ny alina iny » hoy i Romain, mponina ao Ankadikely.Hentitra ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’izao ka an andro na alina aza dia misy fisavana kara-panondro any an-toerana. Rahoviana vao hilamina ity tanàna ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire