ActualitésTatitra

France : Anisan’ny nampalaza ny « slam » tao an-toerana i Grand Corps Malade

I Fabien Marsaud, fantatra amin’ny anarana entina miantsehatra hoe « Grand Corps Malade » no anisan’ireo nampalaza ny Slam tao France. Teraka ny 31 jolay 1977 tao Le Blanc-Mesnil ny tenany ary ny taona 2003 izy no nanomboka niditra teo amin’ny sehatry ny kanto.

I Marc Smith no anisany nampîditra an’i Grand Corps Malade tamin’ny fifaninana « slam ». Nandray anjara tamin’ny fifaninan’io rain’ny Slam io ary nitondra lahatsoratra momba azy, ny kilemany, ny « 9-3 » izay toeram-ponenany, ny namany sy ny fiaraha-monina.

15 taona monja i Grand Corps Malade no nanoratra ny lahatsorany voalohany sy nahalala ny sehatra malalaka. Ny taona 2005 kosa izy vao nisondrotra laza sy nanitatra ny sehatry ny Slam. Io lazany io no nahafahany nahafantatra olona maro ka nanaovany sonia tamin’ny « label AZ » ary nahafahany namoaka ny rakikirany voalohany « Midi 20 » tamin’ny taona 2006.

Laisser un commentaire