Sabotsy Namehana: Lasa toerana fakana sary ny eny Pelle
Niova endrika ny eny Pelle Sabotsy Namehana amin’izao fotoana izao. Lasa toeram-pitsangatsanganana sy fakana sary mihitsy izy ankehitriny. “Tondraka be ny rano tety aminay. Nony ritra anefa ny rano dia nivoaka ny endrika vaovao. Toy ny eny amoron-dranomasina mihitsy ny eny Pelle amin’izao fotoana izao” hoy i Volana, tanora monina ao Sabotsy Namehana. “Toerana tsy nahasarika loatra izy ity teo aloha. Tsy misy mba mpitsidika izany. Niova endrika izy ankehitriny ka lasa lamaody mihitsy ny maka sary eto” hoy i Tendry, tanora tia maka sary. Mahafinaritra tokoa ny mijery ity toerana ity amin’izao. Toerana malalaka sy somary vmiataka kely ny renivohitra izy. Betsaka mihitsy ireo mpitsidika ny tanànan’i Sabotsy Namehana amin’izao.
