ActualitésTsidika

Tontolo iainana: Tontosa ny fambolen-kazo tao amin’ny faritra Sofia

Zana-kazo 30 000 izay samy amin’ny karazany avy no niarahana namboly tao Mahialambo, Antsohihy. Ny governoran’ny faritra Sofia no nitarika ity fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022 ho an’ny faritra Sofia ity. “Fanombohana ihany ity anio ity. Mino sy manantena aho fa samy handray anjara ami’nny fambolen-kazo ny rehetra. Madagasikara rakotra ala maitso no tanjona” hoy ny Governoran’ny faritra Sofia, Ny Jeneraly Lylyson René de Rolland. « Hisy ny fanarahamaso ataony fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ireo mpiaramiombon’antoka ary ireo mponina ao Mahialambo. Tsy ho Herim-po very maina akory izao natao izao » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Miezaka manatratra ny tanjona ny tompon’andraiki-panjakana fa indrindra ny ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana. Madagasikara rakotra ala no tanjona iraisana. 

Laisser un commentaire