Alasora : Mila jerena manokana ireo toeram-piantsonana
Maro ireo mitaraina mahakasika ireo toeram-piantsonan’ny fiara ao Alasora. Mangataka ny hametrahana fandaminana na aro fanina eo amin’ny fiantsonana izy ireo, hisorohana ny loza samy hafa mety haterak’izany, araka ny voalaza.
« Rehefa tena betsaka ireo mpiandry taxi be eto dia tena mampatahotra satria mifanesika sady mifanosika ireo olona. Ireo olona marefo, ny zokiolona sy ny mitaiza dia anisan’ny lasibatra mihitsy eto ka tokony alamina ity toeram-piantsonana iray ity na afindra araka izay mety » hoy i Nadia, mpianatra.
« Mila jerena manokana mihitsy ny mahakasika ity toeram-piantsonana ity. Efa maro ireo olona latsaka tao anaty rano maloto tao vokatry ny fifanosehana sy ny tsy fitsinjovan’ny hafa. Tery ilay toerana kenefa maro ireo zotra mandalo eo, ankoatra izay efa tafiditra anaty arabe ihany koa ireo mpiandry taxibe ka tena mampidi-doza» hoy i Lalao, mpivarotra ao Alasora.
Mangataka ny hijeren’ny tomponandraikitra vahaolana araka izany ireo mponina. Ankoatra ity toeram-piantsoanana eto amin’ny domaine ity moa, dia mila jerena manokana ihany koa ny toeram-piantsonana eo amin’ny Vatobe Ambohimanandraisoa, izay mety hitera-doza ihany koa.
