ActualitésTsidika

Voa’Art : Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Ny « Voa’Art : The National Orchestra of Madagascar » no orikestra nasionaly malagasy voalohany hisolo tena an’i Madagasikara amin’ireo sehatra rehetra iraisam-pirenena. Anisan’ny antony nanaovana ny ampahany amin’ny anarany amin’ny teny vahiny izany, raha ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana. Nanamafy izy fa mahafeno ny fepetra rehetra maha orikestra azy ny « Voa’Art », ary afaka manao mozika malagasy sy mozika klasika.

Misy mpikambana miisa 80 ny orikesitra, izay tanora no ankamaroany ary samy manaraka fiofanana matianina, eny amin’ny Akademiam-pirenena momba ny Haikanto sy ny Kolontsaina (ANAC) izy ireo.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire