Talata Volonondry : Nisy ny fizarana kopia faobe
Notanterahana tamin’ny talata ny fizarana kaopia faobe tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Ny vondrona OIF sy ny faritra Analamanga ary ny kaominina Talata Volonondry no niara-niasa nahatontosan’izany.
« Entanina hatrany izay manana zanaka tsy mbola manana kopia mba hanatona ny kaominina. Ny fanatonana ny kaominina mantsy no ahafahana mamaha ny olana amin’ny tsy fananana izany » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry. « Tsy afaka ny hisitraka ny zo fototra ny ankizy iray raha toa ka tsy misoratra ara-panjakana. Tsy afaka ny handray ankizy tsy manana kopia izao ny fianarana iray. Rehefa ilay misoratra anarana amin’ny fianarana mantsy tsy maintsy takiana foana ny kopian’ny soram-piankohonana » hoy ny talen-tsekoly iray.
Zon’ny zaza feno tokoa ny hanana kopia mba hisitrahany ny zony feno. Adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny ny mampisitraka ny zanany ny zony feno.
