Lany teo anivon’ny Antenimierampirenena ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina
16 taona izay no nandrasana ny fananganan-dalàna ho fanomezan-danja ny kolontsaina Malagasy. Nodinihana sy nolaniana nandritra ny fivoriamben’ny Antenimierampirenena omaly faha 16 jona 2021 ny volavolan-dalàna laharana faha-017-2020 tamin’ny 18 novambra 2020 mahakasika ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina.
Ity Volavolan-dalàna ity dia hitondrana fanatsarana sy famenoina izay banga tamin’ny Lalàna 2005-006 « portant politique nationale culturelle pour un développement socio-économique » ary entina hametrahana ny maha-izy azy sy ny mampiavaka ny kolontsain’ny Firenena Malagasy. Mivoitra anatin’izany fanavaozana izany ny mahakasika ny andraikitry ny mpisehatra amin’ny ara-kolotsaina, ny fikarakarana ireo hetsika isam-paritra, ny fametrahana ny tahirim-bola ara-kolontsaina, ny hetsika tanamaro ary ny paikady entina hanatanterahana izany. Ho hita ao ihany koa ny famporisihana ny famoronana ara-kolontsaina ho an’ny tanora malagasy, ny fiarovana ny kolontsaina sy ny harem-bakoka malagasy, ny politika momba ny teny malagasy mba hanomezana ny hasina sy ny hajany, ny fanomezana tosika ny sehatry ny sarimihetsika sy ny sarimiaina eto Madagasikara, ao koa ny fametrahana ny maha-matihanina ny artista malagasy ka ahafahany misitraka tombontsoa maro amin’ny alalan’ny fametrahana ny satan’ny mpanakanto, sy ny sisa maro tsy voalaza.
Raha fehezina dia dingana lehibe vita hampiroboroboana ny kolontsaina izao fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny Politikam-pirenen’ny Kolontsaina izao, ny fampandaniana manoloana ny Antenimieran-doholona indray no dingana manaraka, hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay tarihan’i Rakotondrazafy Lalatiana. Mitondra fampandrosoana ny firenena mihitsy ny fanozan-danja ny kolontsaina misy eto amintsika hoy ny mpanakanto iray.
Nicole Rafalimananjara
