ActualitésTsidika

Hifarana tsy ho ela ny tsindrona voalohany amin’ny vaksiny

Nanomboka ny volana may teo ny fanaovam-bakisny, ary hifarana tsy ho ela ny andiany voalohany. Betsaka ny efa nahavita ka miandry tsindrona ny faharoa ; ao kosa ireo mbola tsy tapa-kevitra hatarmin’izao, na dia efa hifarana aza ny fanaoavana izany.

Nanentana ny olona hanaradia azy hanatanteraka vaksiny ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Vehivavy maro mpikambana ao amin’ny antoko “Tiako i Madagasikara” no nanatanteraka ny fanaovam-baksiny teny Andraharo ny 16 jona teo. Ny vaksiny fatra voalohany ihany aloha no ho atao fa miandry kosa ny tsindrona faharoa. Nitombo ihany koa ny olona tamin’io omaly io, ary filaharam-be mihitsy aza. « Efa hifarana tsy ho ela rahateo ny fanaovana izany ka araraoty sao tsy hisy intsony aoriana ao » hoy ny mpitsabo iray. Nilaza ny tale amin’ny fandaharan’asa ny amin’ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny Minisiter’ny fahasalamam-bahoaka, Dr Rakotonavalona Rivomalala, fa 135 000 fatra ny vaksiny Covishield vita tamin’ireo 250 000 voaray hatarmin’ny 15 jona teo. Efa ny atsasany aman’ila izany. An-tsitrapo ary maimaimpoana ny fanaovana izany any amin’ny toerana voatokana. Izay tapa-kevitra dia manatona ny toerana fanaovam-baksiny nolazain’ny Minisitera.

Raha ho an’ny Faritra Analamanga manokana ohatra dia any amin’ny HJRA Ampefiloha, Enceinte Nations Unis Andraharo, Antanimena, Faravohitra, Ampahibe, Tsaralalàna,CENHOSOA, CSB Antsahamamy, Anosy Avaratra, Ambohimangakely, Ankadikely, Ampahimanga, Masindray, Andramasina, Betatao, Ambatomanoana, Ankazobe, CSB II Miantso, CSB Itaosy, Andoharanofotsy, Ankadivoribe, Faliarivo Atsimondrano, Anosizato, Anjomakely, Ambohidratrimo, Ampanotokana, Merimandroso, Ampangabe, Ivato, Manjakandriana, Manakavaly ary ao amin’ny ionfirmerie 3 éme Manjakandriana. Misy ihany koa ny vaccine mobile izay manakaiky ny olona maneran any Distrika eto Analamanga.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire