ActualitésTsidika

Fizahantany : Namoaka toerana vaovao azo tsidihin’ny mpizaha tany ao Soanierana Ivongo ny Ministera

Nanatanteraka fidinana ifotony tany Antsiraka sy tany amin’ny La Pointe à Larrée ny Fitaleavam-paritry ny fizahantany ao Analanjirofo. Hita tamin’izany fotoana nandalovana tany izany ny hanaovana ireo toerana ireo ho toerana vaovao azo tsidihin’ny mpizaha tany noho ireo zava-maniry sy zava-manan’aina isan-karazany izay miaina ao.

« Eo amin’ny tendron’ilay faritra arovana amoron-tsiraka vaovao no misy ity toerana ity, noho ny toerana ara-jeografika misy azy mifandray amin’ny Nosy Sainte-Marie, ny harenan’ny biby sy ny zavamaniry ary ny tora-pasika mahafinaritra mbola madio sy milamina no mahatonga azy ity hampiroboroboana mba ho isan’ireo toerana izay be mpitsidika. Ny fanadihadiana izay natao tamin’ny taona 2020, dia namaritra ireo toerana mahasarika sy ny hetsika fizahantany hotrandrahana », hoy ny Ministeran’ny Fizahantany.

« Zava-baovao hita izany; tena tsara ary tena ilaina trandahana tokoa. Etsy andaniny anefa misy ireo toerana maro isan-karazany manerana ny Nosy no efa tsy rarahiana intsony ka lasa ratsy dia tsy mahasarika ny olona intsony. Ireny mihitsy izao no tokony hatao laharam-pahamehana ny famerenana ireny hampahafantarina sy hampahalalana. Tokony havaozina mba hahasarika ny rehetra », hoy i Thierry, mpahay toe-karena iray, naneho ny heviny nahakasika izany.

Ny fidinana nataon’ny ekipan’ny Ministeran’ny Fizahantany Analanjirofo araka izany dia natao hanohanana sy hamaliana ny hetahetan’ny vondron’olona ifotony, ny mpitari-dia eo an-toerana ary ny Fokontany amin’ny fampandrosoana ny toerana azo tsidihina sy ireo trano fandraisam-bahiny. Bungalows, toeram-pilasiana, chalet ary embarcadère no nokasaina hanasongadinana sy hampiroboroboana ny fitrandrahana ity tetikasa ity. Tanjona ny hahalasa ity toerana ity ho toeram-pizahantany vaovao be mpitsidika. Tsy tokony hatao ambanin-javatra anefa ireo efa teo fa tokony havaozina avokoa hahafahana mampiakatra hatrany ny vola miditra amin’ny fanjakana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire