ActualitésTsidika

Arivonimamo : Nandona nahafaty polisy ilay mpamily Crafter

Namoy ny ainy nandritra ny tranga tany Arivonimamo ny polisy iray miasa eny an-toerana. Maty nofaohan’ny fiara Crafter iray miloko mena tamin’ny andro vao maraina izy raha niandry teo amin’ny sakana teo Mangatany. « Nanakana fiara iray aho tamin’io fotoana io. Izy kosa tery ivelan’ny lalana, amin’ny sisiny. Tampoka avy any, nirimorimo fatratra ilay Crafter, tsy niraharaha « panneau » sady nandeha 150km/h tany ho any, ary nifaoka azy ka nisarika ny tenany hatrany amin’ny 50 metatra » hoy ny fitantaran’ilay polisy namany niaraka taminy.

« Nivoaka ilay tovolahy mpamily, vao 20 taona monja, ary nisintona mafy azy tao ambany fiara. Nahita izany ireo polisy ka niteny fa mba moramora ihany misintona ny naman’izy ireo. Vava be anefa no setrin’izany miaraka amin’ny ompa » hoy i Hery, mponina nanodidina ny toerana nitrangan’ny loza. « Tsy maty teo noho eo akory ity polisy ity fa mbola nialana nenina teny amin’ny HJRA ka andro vitsivitsy taty aoriana raha tsy nahatsiaro tena tanteraka » hoy ny dokotera nizaha ny naratra nandritra ny loza teny Arivonimamo.

Nahiditra am-balan-tsazy ilay Crafter. Efa matetika miisetrasetra sy mandeha mafy ity mpamily ity ao Arivonimamo ao ka tsy vao sambany izao nahafaty olona izao. Nanamarin-tena hatrany anefa ity mpamily ity raha nanaovana fanadihadihana ka nilaza ho tsy fanahy iniany ilay izy. Tena tsy fanahy iniana tokoa ve sa lonilony amin’ireto polisy ireto ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire