Maurice : Nanome fanampiana fikambanana maro ny vondrona vondrona ABC
Nanolotra fanampiana Rs 2,3 tapitrisa ho an’ny fikambanana maro sy mpianatra misitraka vatsim-pianarana tamin’ny alalan’ny Fondation Sir Jean Etienne Moilin Ah-Chuen ny vondrona ABC. Raha tsiahivina dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’izy ireo izay mikendry ny fandraisana andraikitry eo amin’ny fiaraha-monina izany.
Nilaza ny CSR Manager ny vondrona, David Ramsay fa misy fiantraikany amin’ny fianakaviana maro toe-draharaha ara-toekarena, antony nanaovana laharam-pahamehana ireo sokajin’olona ireo. Maro hoy izy ireo fianakaviana mitodika amin’ny fikambanana manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ka antony nisokajiana tany amin’ireo fikambanana ihany koa izany.
Raha tsiahivina dia niforona tamin’ny taona 2013 ny Fondation Sir Jean Etienne Moilin Ah-Chuen ary nanohy ny fironany maharitra ary nanamafy ny fanoloran-tenany amin’ireo fikambanana miasa ho an’ny fanabeazana, Community Empowerment, fahasalamana sy fanatanjahantena ary ny tontolo iainana. Ny vondrona ABC kosa dia efa tamin’ny taona 1931 no nitsangana ary miasa betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekaren’i Maurice.
