PolitiqueTatitra

Tunnels du Hamas : Lalana ambanin’ny tany midadasika indrindra hampiasaina mandritra ny ady

Tao anatin’ny efa-bolana izao, mitohy hatrany ny ady sy fifandonana eo amin’ny tafika Israelianina sy ny Hamas. Ankoatra ny ady hita maso ety ambonin’ny tany, dia misy ihany koa ny ady any ambanin’ny tany ataon’izy ireo, izany hoe any anatin’ireo tonelina ambanin’ny tany ihany koa. Araka ny voalazan’ny avy amin’ny tafika Israeliana, izay hany tokana afaka miditra mivantana ao anatin’ity tonelina, dia namorona ireo tonelina midadasika maherin’ny 1.400 ny Hamas izay mirefy 500 kilometatra mahery. Natao ireo lalana ambanin’ny tany ho fanamorana ny fanakaikaizana ny sisi-tany, indrindra ao anatin’ny fanafihana.

Laisser un commentaire