Vatican : Laharam-pahamehana ny fanavahana ny fako ho hahodina indray
Nametraka fepetra hifehezana sy hanavahana ny fako ahafahana manodina izany ho mbola azo ampiasaina indray i Vatican. Fepetra tafiditra anatin’ny tetikasa fiarovana ny tontolo iainana, araka ny nambaran’i Rafael Torniny, tompon’andraikitra misahana ny fikolokoloana ny zaridaina ao Vatican izany. Efa nihatra nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana aogositra 2019 io fepetra io ka isan’ny hita amin’izany ny fanasarahana ny fako ho amin’ny toerana efa voatokana araka ny karazany.
Napetraka ho toa ny lalàna arahina sy hajain’ny rehetra monina ao Vatican izany. Efa nahitam-bokany tsara ny fampiharana io fepetra momba ny fifehezana sy fanavahana fako io. Efa manomboka ny fanodinana toy ny fanodinana menaka fihinana efa avy nampiasaina ka tsy azo hiverenana hanaovana sakafo intsony. Ahazoana « biodiesel » ny fanodinana izany menaka raha ny fanazavana.
