Institut IISS : Manofana tanora ho an’ny fampandrosoana sy ho tomponandraikitra
Ivon-toerana manana ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy ny Institut International des Sciences Sociales. Maro ireo sampam-piofanana izay hatolotry ny ivon-toerana, izay mifototra amin’ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny fiaraha-monina indrindra indrindra.
«Maro ireo fiofanana izay hatolotry ny ivon-toerana IISS ary efa nahafantarana azy hatramin’izay dia ny Communication et société, ny sciences économiques, Management de projet, Hygiène – Sécurité – Environnement et technologie ary ny MBA Finance » hoy i Liva, tomponandraikitra ao amin’ny ivon-toerana.
«Anisan’ny mampiavaka ny IISS, izahay dia manolotra vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika nandritra ny taom-piofanana. Ankoatra izay, misy ihany koa ny fitsapam-pahaizana na ny test d’entrée ho an’ireo mpianatra izay hanaraka fiofanana ato amin’ny ivon-toerana » hoy hatrany ny tomponandraikitra.
Manitra R.
