Ireo ranom-boankazo mahasolo fanafody.
Betsaka ireo karazana « jus » matsiro ary manao fahagagana amin’ny fahasalamana, santionany amin’izany reto entina aminao ireto.
Voasary, sakamalao, kôkômbra :
Voasary iray, kôkômbra iray ary sakamalao kely, afangaro sy potserina dia mamiana rehefa notapohina rano kely. Manamandina ny hoditra izy ity. Mampihena ihany koa ny hafanana diso tafahoatra any anaty any, ka mety ho an’ireo vehivavy mitsaha-pitsaihana manao “bouffée de chaleur”.
Mananasy, paoma, pastèque:
Mananasy silany 2, paoma iray ary pastèque silany iray, ireo no ilaina hanaovana azy ity. Tsy hadinoina ihany koa ny siramamy. Raha sotroina isan’andro izy ity, ny maraina mialohan’ny sakafo, dia manala ny sira mihoatra any anaty vatana. Mikolo ny tatavia sy ny voa ihany koa ity ranom-boankazo ity.
Akondro, poara.
Akondro iray sy poara iray ary siramamy sy rano kely no ilaina. Voalaza fa tsy mampiakatra na mampidina ny tahan’ny siramamy ao anaty vatana izy ity fa mijanona ho mitovy foana (mety hoan’ny misy diabeta).
Marihina fa tsy misy Ariana ny faikan’ireo ranom-boankazo ireo. Tsy tantavanina fa ampiarahana amin’ny rano kely sy siramamy fotsiny ihany.
Fenohasina Ratsimamitaka
