Hitondra vahaolana ho an’ny ady amin’ny Coronavirus tokoa ve ny fanaovam-bakisiny ?
Mpanao politika maro no maneho ny heviny mahakasika ny fampidirana ny vaksiny Covid-19 eto Madagasikara. Tsy mbola manapa-kevitra loatra hihiditra amin’izany anefa ny mpitondra fanjakana. Mijanona ho rehareha hatreto ny fananana ny Cvo sy Cvo plus. Mbola tsy mirona mankany amin’izany loatra ihany koa ny sain’ny vahoaka Malagasy. Mamaritra ny tsy mbola maha laharam-pahamehana ny fampidirana ny vaksiny eto Madagasikara ny fanjakana, andro vitsivitsy lasa izay. Na izany aza, maro ihany no manolotra soson-kevitra manoloana ny fampiasana izany vaksiny avy any ivelany izany. Naneho hevitra manokana mahakasika izany ny filoha Didier Ratsiraka. Nambarany fa tokony hamela malalaka ny Malagasy amin’ny safidiny ny fitondram-panjakana amin’ny hanaovana na tsia ny vaksiny. Nanoro hevitra ny hampiasana ny vaksiny rosianina sy ny an’ny sinoa ihany koa izy. Mbola tsy mahatakatra tanteraka ny vidim-baksiny ny teti-bolan’ny fanjakana? Antony tsy hisian’ny fanapahan-kevitra mazava amin’ny fanaovana izany na tsia. Betsaka ihany koa no efa sitrana soa aman-tsara tamin’ny fisotroana Cvo. Fanontaniana mipetraka anefa ny hoe : ho betsaka tokoa ve ny olona hiroso amin’ny fanaovam-baksiny raha toa ka hankatoavin’ny fanjakana ny fidirany eto Madagasikara ? Tafiditra ao anatin’ny vinavina ihany koa ny mety hahalafo loatra ny saran’ny vaksiny ka mety hanano sarotra ny Malagasy na misy aza ireo te hanao izany.
Fanilo Rarivoarilala
