Angleterre : Nalain’i Chloe Kelly ho an’ny ekipany ny amboaran’ny Euro 2022
Nentin’i Chloe Kelly tamin’ny fandresena ny ekipany nandritra ny lalao famaranan’ny Euro 2022 vehivavy omaly. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no 1 ny ekipan’i Allemagne.
I Chloe Kelly no namono ny baolina faharoa ho an’ny ekipany taorian’i Ella Toone. Teraka ny 15 janoary 1998 tao Londres i Chloe Maggie Kelly. Mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena izy ary eo amin’ny lafiny fanafihana no misy azy ao amin’ny Manchester City ao amin’ny FA WSL.
Efa nilalao tao amin’ny ekipam-pirenen’i Angleterre ihany koa izy nanomboka ny taona 2018. Ny klioba Queens Park Rangers kosa nianohany talohan’ny nidirany tao amin’ny Arsenal.
