ActualitésTsidika

Efa afaka maka ireo tambin-karamany eny amin’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Nanisana ny mpianatra niofana ho mpitsabo

Araka ny nambaran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, efa azon’ny mpianatra taona fahafito sy fahavalo, izay miofana ho mpitsabo alaina eny amin’ny birao misahana izany ny tambin-karaman’izy ireo. Nanamafy hatrany ny talem-paritra, Lalie Raharimamonjy fa efa azon’izy ireo raisina etsy Nanisana ny tambin-karama vola aogositra sy septambra lasa teo. Nametraka dingana maromaro ihany koa noho izany izy ireo mba hanazavana ny anton’ny fahatarana.Anisan’ny mampitokona ireto mpianatra mpiofana ho mpitsabo ireto matetika ny tsy fandoavana ny karaman’izy ireo noho ny asa goavana efa sahaniny. Manjary ho miasa maina fotsiny ireto mpianatra ireto sady tsy manana faharisiana amin’ny andraikitra lehibe sahaniny eny amin’ireny toeram-pitsaboana ireny. Marihana mantsy fa ireo voasokajy ao amin’ireo taona voalaza tetsy ambony ireo sy ireo antsoina hoe « internes » no mandray izany karama izany. »Tena ilaina aloha ilay karazana tambin-karama kely raisina na tsy sahaza ilay asa atao aza e ! Iny mantsy no mba mi-motivé an’ilay ankizy amin’ny stage ataony » hoy i Mendrika, mpianatra miofana ho mpitsabo. « Tokony tsy hisy fahatarana mihitsy ny fandoavana an’ilay vola, moa ilay izy koa tsy hoe vola be fa mba karazana tolotra entina misitraka ny asa vitanay sy ny finiavanay » hoy i Rova, mpianatra miofana ho mpitsabo ihany koa. Nanambara hatrany anefa ny avy ao amin’ny Ministera fa « efa manao izay ho afany ny fanjakana hanafainganana ireo dingana tokony ho ato amin’izan « .Raha ny eo amin’ny sehatry ny fitsaboana manokana, « ny fhasalamana no fananana lehibe indrindra » hoy i Cardinal de Bernis, manam-pahaizana mandalina ny fahasalamana.Tokony hisy tolotra fankasitrahana hatrany omena ireo izay hita fa miasa mafy sy manam-piniavana tokoa ka mendrika ny ahazo mari-pankasitrahana. Kanefa, tsy ny mpiantara mpiofana ho mpitsabo ihany no tokony ahazo tolotra fankasitrahana toy izany fa ireo mpianatra miofana amin’ny sehatra hafa ihany koa. Noho izany, mpianatra mpiofana amin’ny sehatra toy ny inona no tokony ahazo tambin-karama toy izao ankoatry ny fitsaboana ? Mendrika ny hahazo tolotra fankasitrahana toy izao ve izy ireo noho ny herim-po sy finiavana asehony ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire