Ambohimanambola : Kaominina maitso ao Avaradrano
Kaominina iray ao amin’ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano, ao amin’ny faritanin’Antananarivo i Ambohimanambola. Manana mponina manodidina ny 10 102 izy, izay manana ny kaodin’ny kaominina 10205 ary ny kaodin’ny distrika 102.Ny fambolena no foto-piveloman’ny ankamaroan’ny mponina ao, toy ny voly vary sy ny legioma isan-karazany. Isan’ny entana fahatelo lafo vidy ao aminy ny ovy. Misy amin’ireo mponina ihany koa no miompy omby sy akoho amam-borona. Mivelona amin’ny asa tanana kosa ny mponina sasany raha ao ny miasa amina sampandraharaha maro hafa. Toy ny tanàna rehetra dia misy tobim-pahasalamana, sekoly sy tsena isanandro ary fiara fitateram-bahoaka ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimanambola. Ahitana lafim-piainana maro ao amin’ity kaominina ity toy ny sahirana sy ny manan-karena ary ny manana fari-piainana antonony.Azo lazaina ho tsy lavitra ny andrenivohitra loatra no misy azy, sady azo tsidihina tsara satria manana natiora kanto tokoa.
Nicole Rafalimananjara
