ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Nanome zezika hanamaintsoana an’i Madagasikara ny SMA

Rehefa miasa sy miezaka tokoa isika dia tonga ho azy ny olona hanampy antsika. Nanolotra zezika iray taonina hikolokoloana ieo zana-kazo ny SMA na ny « Société Municipale d’Assainissement ».

« Nanolotra zezika kaomposta 1 taonina ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny alalan’ny SMA ho an’ny zana-kazon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy » hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny MEDD Analamanga. « Ilaina dia ilaina tokoa ny zezika amin’ny fikarakarana ireo zanakazo entina hanamaitsoana an’i Madagasikara. Vokatra azo tamin’ny fanodinana ny fako voaangona eny Andralanitra ireto zezika ireto » hoy ny avy ao amin’ny SMA.

« Fotoana tokoa izao hambolena hazo. Nosy ho rakotra ala i Madagasikara. Izay no tanjona » hoy i Frederic, manam-pahaizana mikasiak ny tontolo iainana. Miseho amin’ny endrika maro tokoa ny fiaraha-maisa azo atao. Tokana ny tanjona, fampandrosoana lovainjafy. Mifanohana isika rehetra hahatratrarana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire