ActualitésTsidika

Nantsangana ny tetik’asa ho amin’ny fitantanana ny fako

Loza mitatato indrindra amin’ny fahaloton’ny tontolo iainana ny fako ary manimba ny fahasalamana ihany koa. Efa betsaka ny hetsika natao sy ny fanentanana ny amin’ny tokony tsy hanariana fako sy ny mba hanodinana azy indray.

« Azo atao tsara ny manome lanja ny fako ary azo aodina izany mba ho vokatra ampiasaina ary atao asa sy fidiram-bola ihany koa no sady miaro ny tontolo iainana amin’ny fiparitahan’ny karazam-pako » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. « Tafiditra ao anatin’ny tetik’asa hampiroboroboana ny fitantanana maharitra ny fako indrindra ny eny an-tanàn-dehibe ny fananganana ivon-toerana fanodinana fako ao amin’ny faritra Diana, Atsinanana, Analamanga » hoy ny Tale Jeneralin’ny Fandrosoana Lovainjafy. « Mbola mila fanabeazana lalina isika eto Madagasikara ny amin’ny fitantanana ny fako eto Madagasikara, avy amin’ny vahoaka ihany ny fako ka raha tsara ny fanabeazana azy ireo dia ho foana ho azy ny fako » hoy i Tsilavina, tanora mpiaro ny tontolo iainana.

Tsy ny fanjakana irery no tompon’andraikitra amin’ny fahadiovana fa eo indrindra isika vahoaka tsirairay izay mahita tsara ny eny ifotony. Rahoviana vao ho foana tokoa ny fako eto amintsika ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire