Efa misokatra ny ivon-toerana ho an’ny tanora eny Analakely
Nosokafana ny 7 septambra teo ny ivon-toeram-pikotrehana orinasa « Tosik’art » na Centre d’incubation Tosik’art tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Sehatra iray hanome tosika ny tanora maniry hiditra lalina amin’ny tontolon’ny fandraharahana ara-kolontsaina ity natsangana ity. Maimaim-poana ny fisitrahana ny tosika rehetra ao amin’ny ivon-toerana « Tosik’art ».
« Mila hampiana ny tanora hamadika ny hevitra tsara ananany ho lasa orinasa mampidi-bola ka izany no anton’izao ivon-toerana izao » hoy i Rakotondrazafy Lalatiana, Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. « Zava-dehibe aminay tanora tokoa ny toy izao satria sady manosika anayamin’ny talenta no manosika anay hanana tetik’asa amin’ilay talenta » hoy i Fabrice, mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo.
« Mila tosika tokoa ny tanora indrindra amin’ny fanabeazana azy ireo ho tena olom-pirenena marina sy vanona indrindra amin’ny fampandraisana anjara azy ireo amin’ny hetsika ho fanasoavana hatrany ny fiarahamonina » hoy i Tiavina, mpandinika momba ny fiarahamonina. Hanomboka amin’ny herinandro ho avy izao ny fampiofanana andiany voalohany izay haharitra 5 andro izany.
Taorian’ny tany Toamasina dia ity etsy amin’ny ivokolo ity no ivon-toeram-pikotrehana orinasa Tosik’art faharoa najoro. Tena hampivoatra ny tanora tokoa ve izy ity ?
Nicole Rafalimananjara
