ActualitésTsidika

Ny CTC Andohatapenaka sisa no mandray ny mararin’ny Covid-19

Efa miverina tsikelikely amin’ny fiainana an-davan’andro isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nahitanam-pihenana ny isa navoakan’ny fanjakana mikasika ireo narary, ka fepetra ara-pahasalamana maro no nalefahana.

Mitohy hatrany anefa ny ady amin’ny valan’aretina ankehitriny, fa izany aza efa natsahatra tsy mandray olona intsony aloha ny CTC Mahamasina sy ny CTC Mandrimena noho izy fihenana izay. Noho ny fihenàn’ireo isan’ny tranga vaovao dia efa najanona tamin’izany andraikiny izany ireo toerana vitsivitsy ankoatran’ireo efa natsahatra izay nandray olona isan’andro teo aloha.

Mampiseho fihenàn’ny tranga ny antontan’isa, efa nihena be ireo olona notsaboina ao amin’ny toerampitsaboana, ankoatra ireo efa tsy nisy intsony mihintsy, ka dia nakatona izany ary nafindra eny amin’ny CTC Andohatapenaka kosa ireo sisa notsaboina tao.

Fanadiovana goavana sy famendrahana ranom-panafody no tsy maintsy atao aorian’ny fanalàna ireo fitaovana rehetra sy ny manodidina izay mba tsy hampihanaka indray ny valan’aretina ho an’ny mpampiasa izany toerana izany. Toy izao ny fanehoan-kevitrin’ny tanora iray manoloana izao fihenan’ny antontan’isa izao : « Rehefa manomboka tsy liana amin’ny isan’ny tranga vaovao aho izay dia fantatro fa mihena ny isa. Efa zava-dehibe ho ahy ny fitohizan’ny fampianarana tahaka izao ary indrindra ny maheno fa CTC iray sisa no hitsaboana ireo marary, teo aloha mantsy nampivara-hontsana ny fahenoana fa feno avokoa ny hôpitaly ».

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire