Manome tolotra manokana ho an’ireo mpandraharaha madinika Jirama
Efa hita sy re tamin’ny haino aman-jery ihany ny doka varotra nataon’ny Jirama ho fanentanana ireo mpandraharaha madinika mpanjifa herin’aratra mba hisoratra ara-dalàna. Nanambara androany ny Jirama fa hisy tolotra manokana ho an’ireo mpandraharaha ireo, toy ny mpanao volo, saingy mila misoratra anarana izay te hisitraka izany mba ho mpandraharaha ara-dalàna.
Ity tolotra ity dia mametra ny fiakaran’ny vidin-jiro ary mitandro ireo mpandraharaha ireo tsy ho voakasik’izany. Mbola tsy fantatra kosa ny mety ho vidin’ny Kwh ao anatin’izany raha manomboka amin’ny 370 ariary hatramin’ny 795 ariary, araka ny sokajiny avy. Araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Jirama, Vonjy Andriamanga, dia ho mora noho ny jifaina tokatrano tsotra izany, satria mandany kokoa ireo mpandraharaha ireo. Kanefa raha ny tsikaritra eny amin’ny fiaraha-monina dia toa mbola vitsy ireo mpandraharaha vonona hisitraka izany.
Hasina Rasamimanana
